Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fananganana FFM vaovao  : mila fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimiera roa tonta

    Fananganana FFM vaovao  : mila fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimiera roa tonta

    Andrasana ny fiantsoan’ny governemanta ny fivoriana tsy ara-potoana hataon’ny Antenimiera roa tonta, ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona. Izay ny amin’ny  fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny fananganana ny Filankevitry  ny fampihavanana malagasy (FFM) amin’ny rafitra sy endrika vaovao.

    Tapitra amin’ny volana marsa ho avy izao ny fe-potoam-piasan’ny FFM, izay najoro tamin’ny  alalan’ny tondrozotra. Efa eo an-tanan’ny governemanta ny volavolan-dalàna mifehy ny FFM vaovao. Araka izany, andrasana ny fandaniana azy eo anivon’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra mba hahazoana manolotra izany amin’ireo Antenimiera roa tonta.

    Manana izay mampiavaka azy ny FFM vaovao

    Ny tena hevi-dehibe ao anatin’io volavolan-dalàna io: ny amin’ny famotsoran-keloka, raha ny fanazavan’ny avy amin’ny komitin’ny manampahaizana nandrafitra ny volavolan-dalàna, Zakariasy Patrick. Teo aloha, mametraka ny fanomezana famotsoran-keloka ny fitsarana tampony momba izany. Amin’io volavolan-dalàna io, manome soso-kevitra ny fitsarana tampony momba ny famotsoran-keloka, fa manapa-kevitra ny FFM.

    Teo aloha, 44 ny mpikamban’ny FFM: roa isaky ny faritra. Be loatra, angamba, izany ka sarotra ny fanatanterahana asa. Teo koa ny olana amin’ny fitaovana sy ny vola enti-miasa. Nahena ho 18 ny isan’ny mpikambana: roa isaky ny faritany, miampy enina atolotry ny filohan’ny Repoblika ka iray avy isaky ny faritany.

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.