Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Lomano – J.O 2016 : nahazo « wild-card » Rabetsara Estellah sy Ralefy Sitraka

    Mazava. Notoloran’ny federasiona iraisam-pirenen’ny lomano (Fina) fanasana manokana na « wild-card » hiatrehana ny Lalao Olympika 2016 (J.O) any Rio, Brezila, ireo mpilomano malagasy roa, Rabetsara Fils Estellah sy Ralefy Sitraka Anthony.

    Noho ny zava-bitan’izy ireo nandritra ny hetsika iraisam-pirenena natrehiny, indrindra tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany tany Kazan, Rosia, no nahazoan’izy ireo io fanasana manokana avy amin’ny Fina io. Marihina mantsy fa tsy maintsy mandalo fisokajiana iraisam-pirenena ireo mpilomano maneran-tany ka iny tany Kazan, Rosia tamin’ny taon-dasa iny, no nahafahan’ny Fina namoaka ny lisitr’ireo hiatrika ny J.O 2016.

    Ankoatra izay, tsy vaovao amin’i Estellah ny fiatrehana ny Lalao Olympika. Fanindroany amin’io any Rio, Brezila io mantsy izy  hisolo tena ny Malagasy ary niaro ny voninahi-pirenena teo amin’ny taranja lomano.

    M.N.

    Les commentaires sont fermées.