Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Anosizato : jiolahy 8 tratra nangalatra menaka

    Anosizato : jiolahy 8 tratra nangalatra menaka

     Voasambotry ny polisin’ny BC, sakelika faharoa, ny herinandro teo, ireo jiolahy miisa valo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana miharo halatra menaka miisa 32 bidao teny amin’ny tranombarotra iray eny an-toerana. Araka ny fanazavan’ny polisy, ny alahady maraina tamin’ny 2 ora no nitrangan’ny fanafihana tao amin’ity tranombarotra  ity. Jiolahy miisa dimy nitondra fitaovam-piadiana no niditra an-keriny tao amin’ny toerana fitobian’entan’ilay  tranombarotra. Nalain’izy ireo avy hatrany ny menaka tanatin’ireo bidao 32 tao anaty kamiao. Efa tsikaritry ny tompon-trano sy ny mpiambina anefa ny fahatongavan’ireo olon-dratsy ka efa niambina tamin’ny basy izy ireo. Nitifitra avy hatrany ny tompon-trano ka jiolahy roa voatifitra. Tafaverina kosa ireo menaka saika hangalarin’ireo jiolahy.

    Voalazan’ny polisy fa nitrangana halatra halatra ihany koa tao amin’ity tranombarotra ity, ny 6 febroary 2016 lasa teo ka menaka tamina bidao maromaro no lasan’ireo olon-dratsy. Nitohy ny fikarohana ka tratra tao anaty vela-pandriky ny polisy ireo jiolahy.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.