Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rasolo André : “Mila marin-toerana ny fahefam-panjakana miady amin’ny fahantrana”

    Rasolo André  : “Mila marin-toerana ny fahefam-panjakana miady amin’ny fahantrana”

     Mby aiza ny fanarenam-pirenena? Mihalalina sy maharitra ny fahasahiranam-bahoaka. Maneho ny heviny ny mpampianatra sôsiôlôjia politika eny amin’ny oniversite sady mpikambana ao amin’ny komitin’ny manampahaizana momba ny fampihavanam-pirenena, Rasolo André: “Tsy maintsy marin-toerana ny fahefana vao afa-miatrika ny ady amin’ny fahantrana sy ny asa fampandrosoana.” Dinidinika…

     

    Gazety Taratra (*): Ahoana ny fanombanana ity taona 2016 ity? Nilaza ny filohan’ny Repoblika ho taon’ny asa fampandrosoana…

    Rasolo André (-): Tokony hiroso amin’ny asa fampandrosoana amin’izay isika… Laharam-pahamehana ny asa fampandrosoana, fa mafy loatra ny fahantrana iainan’ny Malagasy. Tokony hifanome tanana isika, na eo aza ny firehan-kevitra tsy mitovy. Nefa tsy maintsy marin-toerana ny fahefana vao afa-miatrika ny ady amin’ny fahantrana sy ny asa fampandrosoana.

    * Ahoana ny amin’ireo andrimpanjakana tsy mbola tafatsangana amin’izany? 

    – Mbola misy tokoa andrimpanjakana efatra tsy tafajoro. Tokony hijoro ny Filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna, araka ny And. 43 amin’ny lalàmpanorenana; ny Filankevitra ambony momba ny fiarovam-pirenena, araka ny And. 56; ny Filankevitra ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-kolontsaina, araka ny And. 105. Tokony hijoro ihany ny Fitsarana avo, araka ny And. 131. Feno ankehitriny ny fepetra hananganana ireo andrimpanjakana efatra ireo.

    Heveriko fa tsy misy intsony sakantsakana tsy hitsanganan’ny Fitsarana avo, ohatra, ny amin’ny olona roa avy amin’ny Antenimierandoholona, roa avy amin’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna hameno ny isan’ny mpikambana ao.

    Tsy mbola hita kosa ny fampiharana ny And. 78 amin’ny lalàmpanorenana, milaza fa manana zo ny mpanohitra hanana filoha lefitra iray ary hitarika vaomiera iray farafahakeliny ao amin’ny Antenimierampirenena.

    * Amin’izao, tsy bahanan’ny fanjakana avokoa ve ny toerana rehetra?  

     

    – Avy amin’ny mpanao politika eto amintsika kosa aloha io… Tsy misy te hitonon-tena ho mpanohitra ny vondrona parlemantera, na hita izao aza fa mpanohitra ny antokony. Nefa matoa manome sehatra ambony hiasany ny lalàmpanorenana, mazava ho azy fa tsy fahavalom-pirenena ny mpanohitra. Ny hevitra no tsy mitovy, fa ny firenena iaraha-manana.

    * Ary ny fahitanao ny antoko politika amin’izao fotoana izao?  

    – Raha tsorina, na manohana tsangan’olona haka fahefana ny antoko politika eto amintsika, na manohana tsangan’olona nahazo fanjakana. Izany no mahatonga azy ireo mitsipotipotika be toy io, mbola ampian’ireo vondrona tsy miankina mihanaka etsy sy eroa.

    Nefa manana andraikitra telo lehibe ny rafitra politika: manofana ny mpikambana ao aminy hitondra fanjakana; mandrafitra sori-dalana heveriny hitantanana ny firenena ka mamelona adihevitra momba izany mandavantaona, fa tsy amin’ny andron’ny fampielezan-kevitra ihany; ary manome fanabeazana ny olom-pirenena handray andraikitra sy hahalala ny anton’ny vato alatsany amin’ny fifidianana.

    Mety manana mpanao politika tsara isika, fa tsy izy mihitsy io rafitra politika misy eto amintsika amin’izao fotoana izao io: ahitana antoko politika anjatony. Tokony hitambatra ao anaty vondrona politika telo na efatra ireo antoko politika sy tsy miankina marobe ireo. Hazava tsara amin’izay ny vondron’antoko mitondra fanjakana, ny vondrona manohitra fanjakana, ary ny vondrona eo anelanelany.

    Foto-kevitra no tokony hampiray ny vondrona isanisany, fa tsy fanindrahindrana tsangan’olona. Raha tsy izany, lasa antoko mampitsitokotoko fotsiny ny Malagasy ny antoko politika.

    Nangonin’i R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.