Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zaka tsara : tsy misy tsy azo soloina

    Fanamboarana ihany sa fanovana tanteraka ny governemanta no hatao ato ho ato? Mandeha ny tombantombana, mety mitombina na tsia. Tsy misy olona tsy azo soloina na tsy azo ovaina. Na ahoana na ahoana, tsy azo ihodivirana ny fanamboarana noho ireo minisitra roa notendrena ho loholona. Mahabe resaka…

    Tsy nahomby ve izy ireo ka nesorina? Mbola omen-toerana hafa ihany, na tsy mahomby aza. Lany olo-manga? Raha nahomby tamin’ny toerany teo aloha, nahoana no novaina andraikitra? Avadibadika fotsiny ny eo, fa tsy misy olona na zava-baovao. Ho toy izany ihany ny fanamboarana na fanovana governemanta?

    Tsy inona izao izay fanovana na fanoloana tsangan’olona, fa fanovana tsangan-kevitra: nahoana no soloina itsy na iroa, maninona no tsy mahomby, aiza ny lalan-kaleha amin’izay hatao… ? Amin’izany, takina ny sangan’asa na tsangan’asa… mivaingana sy mazava. Tsy misy olona tsy azo soloina, fa hanao inona?

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.