Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Milaza ho kapitenin-tsambo : rangahibe efa 60 taona nahavita misoloky mivarotra fiara

    Voasambotry ny polisin’ny SUT Tsaralalana ny alarobia teo, teny Soarano, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro ny lehilahy iray 60 taona voalaza fa mpisoloky, monina any Isorana Fianarantsoa. Mitonona ho Kapitenin-tsambo izy rehefa manao ny asa ratsiny ka milaza ho Rahakavelo no fiantsoana azy amin’izany. Mivarotra fiara sy ordinatera izy ka mitondra sarina fiara Sprinter sy Golf, mitady izay olona ampiresehany. Reseny lahatra ny olona sady asehony ny sary.

    Araka ny fanazavan’ny polisy, ny 8 desambra 2015, lehilahy iray no nifanao fotoana taminy teny Ambodifilao ka nanome vodiondrim-barotra 5 tapitrisa Ar, ka ny ambiny haloa tsikelikely. Rehefa voarain’ity mpisoloky ity ny vola, lasa nandositra izy ary tsy hita intsony. Nametraka fitoriana tao amin’ny SUT Tsaralalana ilay rangahy voasoloky. Ny Alarobia, 17 febroary, hitan’ilay rangahy voasoloky teny Soarano izy ka niantso ny polisy avy hatrany izy. Tamin’ny fanadihadiana azy no nilazany fa nandeha nanao vato tany Ambatondrazaka izy nandritra izay fotoana tsy nahitana azy izay, kanefa voaporofo fa hay efa mpanao asa ratsy mihitsy ity rangahibe efa mananika ny faha 60 taonany ity. Manao antso amin’ireo olona izay efa voasolokin’ity rangahy ity mba hanatona ny birao fiasany ety Tsaralalana ny polisin’ny SUT. Misy karazan’olona rahateo manao asa fisolokiana mitovy amin’izao eto an-drenivohitra ka tokony ho samy mailo ny rehetra. Vitan’ireo olon-dratsy rahateo ny miantoka anao hifindra toerana mankany Toamasina ohatra rehefa misy ny fisolokiana ataony. Maromaro ny fianakaviana tratra tamin’izany, saingy mba efa nisy tratra kosa ireo olon-dratsy. Natolotra ny fampanoavana omaly ilay rangahy io.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.