Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Nanatanteraka fihaonana tao amin’ny birao fiasan’ny lehiben’ny boriboritany fahafito, etsy 67ha, ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahafito sy ny filohan’ny fokontany rehetra ao amin’ny faritra iadidiany. Dinidinika mahakasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta sy fametrahana indray ny lamin’asa vaovao hiatrehana ny fandriampahalemana eny amin’iny faritra iny niompanan’ny adihevitra tamin’izany. Ny sinto mahery, fanendahana sy vaky trano ary halatra anaty fiara no tena mateti-pitranga eny an-toerana raha ny fanazavan’ ny commissaire principal de police Ramampiandra Nicolas, lehiben’ny boriborintany fahafito. Hatramin’ny nisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny polisy sy ny andrimasom-pokonolona eny an-toerana anefa, hita fa nihena ny resaka vaky trano sy ny vaky fiara any anelakela-trano fa ny mpanao sinto-mahery sy mpanendaka eny an-dalam-be no mbola mirongatra. Misy ny lamina maty paika vaovao mba hamongorana ireo mpanao ratsy ireo. Marihina fa efa ela ny fiaraha-miasa eo amin’ny polisy sy ny fokontany eny an-toerana fa fanamafisana fotsiny natao.

    Les commentaires sont fermées.