Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambohimangakely : fiara 404 bâchée nifandona tamin’ny kamiaobe

    Ambohimangakely : fiara 404 bâchée nifandona tamin’ny kamiaobe

     Samy naratra ny mpamily ! Nifandona teny Andranovao Tetezamby Ambohimangakely pk 11+400 ny kamiaobe iray sy fiara 404 bâchée iray , omaly antoandro tamin’ny 11 ora. Araka ny fanazavana voaray avy any Toamasina hihazo ny renivohitra ilay kamiaobe ka nanana olana ara-teknika tampoka ny fiara ka nifandona tamin’ilay fiara 404 bâchée avy any Ambohimalaza hihazo an’Ambohimangakely. Nivadika avy hatrany ilay kamiaobe ka ny ilany ankavia no tena voa mafy raha nivadika tany anaty hantsana kosa ilay fiara bâchée. Tsy nisy kosa ny aina nafoy fa nentina haingana teny amin’ny hopitaly ireo naratra ka samy efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy ireo mpamily naratra. Fantatra fa mpitondra entan’ny orinasa iray eny Tanjombato ilay kamiaobe niharan-doza. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fanadihadiana rehetra.

    Aoka hitandrina hatrany ny mpamily mampiasa iny lalana RN 2 iny satria matetika ahitana lozam-pifamoizana iny lalany iny. Marobe rahateo ireo kamiaobe mifamezivezy eny an-dalana nefa ny lalana somary tery ihany.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.