Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    «Course pour la solidarité féminine» : anisan’ireo hifaninana i Dah Mama

    Efa mihamaro hatrany ireo olon-tsotra sy orinasa ary fikambanana, misoratra anarana, amin’ilay fifaninanana «Course pour la solidarité féminine», karakarain’ny fikambanan’ireo Malagasy niatrika ny “Lalao Olympika” (Amao). Anisan’ireo nanambara ny fahavononany hiatrika ity fihaonana ity i Dah Mama, ary hitarika ireo mpanakanto namany handray anjara amin’izany. «Amiko, rehefa mifono firaisankina sy fampiarana ny miralenta ny zavatra atao dia mety amiko. Hanamafy ny firaisankina ao anatin’ny fanatanjahantena, ary ao anatin’ny fitoviana sy fifangaroana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy. Mety amin’ny fomba fisainako ny fotokevitra, hitondrana ilay hetsika, ary tsapako fa matihanina ny fikarakarana, ka nahasarika ahy  hirotsaka an-tsehatra”,  hoy izy. Marihina fa izy rahateo no namorona ny hira fanentanana, amin’ity andiany fahefatra ity.

    Raha tsiahivina, hiavaka ity andiany 2016 ity, satria ankoatra ny hazakazaka efa mahazatra, hisy koa ny fifaninanana eo amin’ny taranja basikety
    200.000 Ar ny fandraisana anjara eo amin’ireo taranja roa. 50.000 Ar raha basikety fotsiny ary 150. 000 Ar ho an’ny hazakazaka mifampitohy. Mbola mitohy etsy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena Ambohijatovo ny fisoratana anarana, ho an’ireo izay mbola te handray anjara. Tsiahivina fa ny vola rehetra azo, amin’ity, entin’ny Amao manatanteraka ny asany sy manampy ireo mpikambana ao aminy.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.