Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Famonoana mpivady frantsay : miaramila taloha iray voasambotra tany Antsiranana

    Mandeha ny famotorana manodidina ilay famonoana vazaha lahy sy ny vadiny malagasy tany Antsiranana. Araka ny vaovao voaray farany, nisy miaramila taloha iray voasambotra amin’ity raharaha ity. Taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana fantatra ny fisian’izy io, ary niroso tamin’ny fisamborana azy. Araka ny vaovao fantatra ihany koa, misy mpitandro filaminana roa ahiahina amin’ity raharaha ity. Raha ny fantatra, mety hiroso amin’ny fisamborana azy ireo, na fampiantsoana azy, ny mpanao famotorana. Tsy nanamarina io vaovao mahatafiditra mpitandro filaminana io izay lehibe nanontaniana.

    Raha tsiahivina, ny zoma alina hifoha asabotsy ny nanafihan’ny jiolahy ny tranon’ireo mpivady. Dokotera malaza any Antsiranana any ramatoa io. Efa-dahy nanao saron-tava nitondra kalachnikov nanafika tao an-trano, hitan’ny mpiambina tanàna. Ity farany izay nitsoaka ary niantso vonjy, saingy efa 45 minitra taty aoriana vao tonga ny zandary. Maty voatifitry ny bala roa avy tany an-damosiny ilay vazaha. Teny an-dalana saika halefa any andafy kosa no maty ramatoa vadiny. Mandeha ny fanadihadiana ary manaraka akaiky ity raharaha ity ry zareo Frantsay. Voalaza fa nahatrara valo ny isan’ny teratany frantsay nisy namono teto amintsika iny taona 2015 iny.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.