Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hevitry ny mpiasan’ny kaominina sasany : mba hisian’ny korontana ny fanenjehana ireo mpivarotra

    Hevitry ny mpiasan’ny kaominina sasany : mba hisian’ny korontana ny fanenjehana ireo mpivarotra

    Tsy tapaka mitombo isa hatrany ny mpivarotra amoron-dalana eto Antananarivo. Tsy eo Analakely enjehin’ny kaominina ihany, fa feno azy ireo Behoririka, Mahamasina, 67 ha, Isotry, saika manerana ny Renivohitra. Ao ireo efa manana ny toerany manokana, fa ao koa ireo manao varo-mandeha manerana ny tanàna hatrany anelakela-trano.

    Tsy mahasakana ireo mpivarotra ireo mihitsy ny ataon’ny kaominina eo Analakely, efa andro maromaro izao. Misy amin’ireo mpiasan’ny kaominina efa vaky vava nilaza fa tsy ho afaka mihitsy ireo mpivarotra ireo. Ny sasany amin’izy ireo aza, mitovy fomba fijery fa karazana iraka ampanaovina azy ireo fotsiny izao hoentina hanakorontanana ny eto an-dRenivohitra sao mba mety hiafara amin’ny fanonganam-panjakana !

    Maromaro ny antony nilazan’izy ireo izany. Raha te hanadio ny eto Antananarivo marina, nahoana ny mpivarotra eo Analakely ihany no enjehina fa tsy manarena ny tanàna rehetra ? Ny amin’ny hariva sy alina, tsy misy fiovana mihitsy ny eo Analakely sy ny manodidina; ny andro alahady indray, lasa tsena eo Analakely. Nahoana koa, tsy hanaovana fanadihadiana ireo tranombarotra lehibe fivoahan’ireny entana ireny ? Antony iray lehibe nambaran’ireo mpiasa ireo ihany ny olana kotrehina momba ny mpiasa eo anivon’ny kaominina, mba hiteraka izay korontana izay ny eo Analakely. Fanalàna fako no tokony hisahiranana voalohany.

    336.000 ny very asa

    « Raha nokasaina hatramin’izay ny hanadio an’Antananarivo, efa vita izany », hoy ireo mpiasan’ny kaominina sasany ireo. Marihina fa nisy 336.000 ny very asa (tarehimarika navoakan’ny BIT) noho ireny krizy politika ireny. Koa karazana nojerem-potsiny ireo mpivarotra ireo nandritra ny taona maro, noho ny fahafantaran’ny teo aloha fa mamelona fianakaviana maro io karazam-barotra io.

    Tsiahivina ihany fa mbola mampitombo azy ireo ny toekarem-pirenena mbola tsy tafarina hatramin’izao. Misy amin’ireo olona ireo very asa ; ao ireo manao izany indray mba hanampy ny fidiram-bolany na efa miasa mandray vola isam-bolana aza, satria kely karama loatra ; tsy vitsy koa ireo nitsoa-ponenana avy any ambanivohitra noho ny antony maro ; ary misy misafidy manokana manao io varotra io, mahita fidiram-bola bebe kokoa, hono …

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.