Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Federasiona malagasin’ny baolina kitra : efa nampoizina ny “Quitus 100%” avy amin’ireo ligy

    Tsy nahataitra ny mpanara-baovao intsony fa efa nampoizina ny nanomezan’ireo ligim-paritra 22 fitokisana ny mpitantana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nahazo “quitus 100%” indray mantsy i Ahmad sy ny ekipany. Nandritra ny fivoriamben’ny federasiona natao tany Fenoarivo Antsinanana, ny asabotsy lasa teo, no nanaovana izany. Na nisy aza ireo filohana ligy vitsivitsy tsy faly amin’ny filohan’ny federasiona, tsy sahy nitsipaka fa nandany sy nankato ny tatitra nataon’izy ireo. Araka ny tati-baovao avy any an-toerana, resaka politika ny anton’izany. Olon’ny fanjakana sy ny fitondrana amin’izao fotoana izao mantsy ny ankamaroan’ireo mpitantana ao anatin’ny federasiona ka matahotra izy ireo ny amin’ny valin’ady sy ny valin-kafatra politika, dia aleo mangina sy manaiky. Tsangan-tanana rahateo ny nanaovana izany fankatoavana izany.

    Na izany na tsy izany, nisaotra ny rehetra ny filohan’ny federasiona ka nahafahana nanantanteraka iny fivoriambe iny. “Sarotra ny lalana nodiavin’ny federasiona, saingy efa hita kosa fa manomboka mitraka ankehitriny ny baolina kitra malagasy”, hoy izy. Nanome porofo izy fa tao anatin’ny 50 taona, niorenan’ny federasiona, tamin’iny taona 2015 iny vao nisy tompondakan’i Afrika, tamin’ny alalan’ny Barea beach soccer. Fiaraha-miasan’ny rehetra niaraka tamin’ny fitondrana ny nahazoana izany, araka ny fanamarihany. Ny zava-bita, tamin’izany, nahatonga ireo olon’ny baolina kitra ho lasa mpitantana ato anatin’ny firenena, izay misy ben’ny Tanàna, senatera…. Na izany aza, mbola olana ny resaka kianja, izay mbola hitadiavana vaha-olana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny fitondrana.

    Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.