Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Iantonana-Antsirabe : tratra ireo olona nandoro ny tranon’ny kaominina

     Voasambotry ny Emmo/Reg, ny asabotsy teo ireo olona miisa fito voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fandorana ny biraon’ny kaominina Iantonana Betafo. Ny 4 febroary  2016 lasa teo nitrangan’ity fandorana ny tranon’ny kaominina ity. Tsy fantatra marina hatreto izay antony nahatonga ireo olona handoro ny biraon’ny kaominina fa iray amin’ireo voarohirohy ao anatin’ity raharaha ity ny ben’ny Tanàna teo aloha, raha ny fanazavana avy any an-toerana. Nisy ny fivoriana maika nataon’ny OMC ka taorian’izay no nivoaka didy amin’ny hahafahana misambotra ireo tompon’antoka tamin’izany. Miisa fito, araka izany, ireo olona tazonina hanaovana fanadihadiana manokana ao amin’ny borigadin’Ankazomiriotra. Fantatra ihany koa fa misy ireo andian’olona mikasa handoro trano sy hanimba zavatra sy mitaky ny famoahana ireo olona efa voasambotra.

    Mitohy ny fanadihadiana ity raharaha ity.

    J.C

     

    Les commentaires sont fermées.