Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tanamakoa Toamasina : polisy nandrahona olona tamin’ny basy tao anaty karaoke

    Tanamakoa Toamasina : polisy nandrahona olona tamin’ny basy tao anaty karaoke

     Io indray ! Nandrahona olona tamin’ny basy tao anaty karaoke iray ao Tanamakoa, ny herinandro teo ny polisy roa lahy samy miasa ao Tanambao Bazarikely Toamasina. Araka ny fanazavana voaray, avy niasa nandamina ny fifamoivoizana izy roa lahy ka lasa namonjy karaoke izay samy mbola nitondra basy. Nony tafiditra tao an-trano izy roa lahy dia nikaomandy zava-pisotro. Tsy nety hanome vola anefa ilay polisy iray rehefa avy nisotro izany izay samy efa mamomamo. Nitsangana avy hatrany ny iray ary namahana ny basy P.A sy nandrahona hitifitra. “Avy aty, manatona izay mahasahy”, hoy izy, araka ny fanazavan’ny tompon-trano. Tsy vitan’izay fa mbola nodakan’izy ireo koa ny latabatra sy ny seza. Vokany, vaky daholo ny vera sy ny tavoahangy. Niezaka nandamina ihany anefa ilay polisy namany ka nanome ny vola, saingy tsy nety nanome ny vidin’ireo entana simba, raha ny fanazavan’ny tompon’ilay karaoke.

    Maro, araka izany, ireo olona mitaraina amin’ny fihetsika ataon’ny polisy sasany ao Toamasina. Mendri-piderana ny ezaka vitan’ny polisy, saingy misy kosa ireo manapatra fahefana diso tafahoatra indraindray ka mandratsy endrika ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena iray manontolo.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.