Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Lomano – Afrique 2016 : hiroso amin’ny fifaninanana tsapa farany ny FMN

    Lomano – Afrique 2016 : hiroso amin’ny fifaninanana tsapa farany ny FMN

    Hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena hafa isika eo amin’ny taranja lomano, ankoatra ny Lalao Olympika 2016 (J.O) any Rio, Brezila.

    Raha ny fandaharam-potoan’ny federasiona mantsy, anisan’ny hetsika iraisam-pirenena goavana hatrehin’i Madagasikara ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika. Fifaninanana hotanterahin’ny kaonfederasiona afrikanina any Bloemfontain, Afrika Atsimo, ny 2 – 9 oktobra 2016.

    Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ara-teknikan’ny federasiona malagasy (FMN), Razafindrainibe Harivola na Vola, mbola tsy maintsy miatrika fifaninanana tsapa ireo mpilomano malagasy. Izany hoe, mbola hisy fifaninanana tsapa farany hatrehin’ireo atleta, ny 24 avrily izao, ankoatra ireo efa tontosa teo aloha, ahafahan’ireo teknisianina sy ny federasiona mamoaka ny lisitry ny ekipa nasionaly hiatrika io fiadiana ny tompondakan’i Afrika any Bloemfontain, Afrika Atsimo, io.

    Marihina mantsy fa ankoatra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara izay hahazoan’ireo mpilomano isa, mamaritra ny filaharan’izy ireo ihany koa ny fifaninanana tsapa karakarain’ny federasiona.

    M.N.

    Les commentaires sont fermées.