Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mandalo hanao rakitsary : vahinin’i Wawa any Nosy Be i Luyanna

    Mandalo hanao rakitsary : vahinin’i Wawa any Nosy Be i Luyanna

    Waliwelala”. Ilay hira azo antoka fa maro mahalala, fa mety vitsy kosa no mahafantatra an’i Luyanna. Mpanakanto metisy frantsay sy portiogey izy, izay mandalo eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ny marina kokoa, vahinin’i Wawa any Nosy Be i Luyanna, ka ao anatin’ny fandraisana an-tsary ilay hira “Elaela”, iarahan’izy ireo manatontosa amin’izao fotoana izao.
    Miaraka amin’ny ekipany manontolo i Luyanna amin’izao fandalovany any Nosy Be izao. Teknisianina mpamokatra sy mpanatontosa horonantsary ao amin’ny fahitalavitra M6 ireo. “Fanombohan’ny fifandraisako amin’i Madagasikara izao”, hoy ny nambaran’i Luyanna, vantany vao nigadona teny Ivato omaly maraina, ka nihaonany fotoana fohy tamin’ny mpanao gazety. “Nihaona tany Frantsa izaho sy i Wawa, ka teraka teo ny tetikasa hiara-hihira. Fampifangaroana sy fampiarahana ny kanto malagasy sy portiogey no nataonay. Niainga tamin’ny salegy izahay, avy eo nolaroina gadona hafa”, hoy ny fitantaran’ity mpanakanto ity.
    Hatraiza ny fiaraha-miasa? Manam-pinoana be ny hitohizan’ny fiarahana hatramin’izay lavitra indrindra na i Wawa na i Luyanna. Voalohany indrindra ny fandraisana anjaran’ity mpanakanto vahiny ity amin’ny “Festival Sômarôho!” 2016, izay efa fotoana ifanomezana any Nosy Be. Manaraka izany, zava-dehibe ho an’i Nosy Be ny nisafidian’ny mpanakanto iraisam-pirenena hanaovana rakikira any, satria tosika ho an’ny fizahantany koa izany. Tsy rakitsary ihany mantsy, fa hanao fandaharana manokana momba an’i Wawa sy Luyanna ihany koa ny ekipan’ny M6. Ho tosika ho an’i Wawa eo amin’ny fivoahana amin’ny fahitalavitra frantsay izany.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.