Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toamasina : tratra nanendaka ireo jiolahy vao avy nigadra

    Toamasina : tratra nanendaka ireo jiolahy vao avy nigadra

     Tsy mety fay mihitsy ! Mpanendaka telo lahy no indray voasambotry ny polisin’ny Commissariat Central Toamasina, ny herinandro teo tao Tanambao fahadimy Toamasina. Mbola tratra tany amin’izy ireo ny antsy lavalela iray fitondran’izy ireo manao ny asa ratsiny. Araka ny tatitra avy amin’ny polisy, efa nigadra tany amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy ireto jiolahy ireto, saingy niverina nanohy ny asa ratsiny indray nony nivoaka ny fonja. Noraisim-potsiny teo am-panendahana olona tao Tanambao fahadimy ry zalahy ireto nandritra ny fisafoana tampoka fanaon’ny polisy. Samy niaiky ny heloka vitany ry zalahy tamin’ny famotorana nataon’ny polisy. Maro ny olona efa nitondra faisana tamin’ireto tontakely ireto tao Toamasina.

    Nanamafy hatrany ny polisy fa tsy maintsy fongorina hatrany ny asan-jiolahy ao an-toerana. Faritra hanjakan’ny tsy fandriampahalemana sy ny fakana an-keriny rahateo ny ao Toamasina.

    J.C sy Sajo

    Les commentaires sont fermées.