Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Vakinankaratra : hifaninanana ny fambolen-kazo

    Samy miezaka manefa ny adidiny amin’ny fambolen-kazo ireo fikambanana sy sokajin’olona samihafa any Vakinankaratra, indrindra fa ny ao Antsirabe renivohitra. Taorian’ny Fiova, nanatanteraka ny azy koa ireo miaramila sy zandary avy ao amin’ny fari-piadidia-miaramila ao Vakinankaratra, nampian’ireo sivily miasa ao anivony avy, ny faran’ny herinandro.  Tao amin’ny Akademia miaramila, ny Sekoly mpampiofana ho manamboninahitra lefitra (Ensoa) ary ny tobin’ny zandarmaria ao anatin’ny fari-piadidian’ny miaramila manerana an’i Vakinankaratra (Antanimenakely sy Ankazimiriotra). Voavoly ny zana-kazo 2 100, araka ny nambaran’ny jeneraly Rakotonirina Léon Jean-Richard, komandin’ny heri-piadidi-miaramila ao Vakinankaratra.

    Nanao ny azy koa ny fianakaviamben’ny fampianarana avy ao amin’ny Cisco Antsirabe, ny asabotsy lasa teo. Nifampitoana teny amin’ny havoan’ny fokontanin’ny Talata-Andraikiba Antsirabe ny mpampianatra sy tomponandraikitra avy amin’ny fampianarana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, notarihin’ny lehiben’ny Cisco, Rasoamahefa Henri. Zanaka  kesika 3 000 no voavoly tamin’io andro io.

    Jeannot Ratsimbazafy

    Les commentaires sont fermées.