Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Andron’ny vehivavy : tsy mitsahatra ny ady ho amin’ny miralenta

    Andeha hanao dingana ho fampimiràna lenta ny lahy sy ny vavy”. Io no lohahevitra hovoizina mandritra ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy amin’ny 8 marsa izao manerana ny Nosy. Tanjona ny hanamafy ny ady amin’ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy.

    Eto Madagasikara, mbola betsaka ny antony tsy mahatomombana ny miralenta. Anisan’izany ny fomban-drazana izay manome vahana kokoa ny lahy, eny fa na hatrany amin’ny fitaizana dieny mbola kely aza dia efa mipetraka ny fampandeferana ny vehivavy.

    Eny anivon’ny orinasa, sadaikatra ny mpampiasa hampiasa vehivavy satria manapaka matetika indrindra rehefa bevohoka. Raha vao vehivavy efa nahazo taona, sahirana vao mahita asa fa aleon’ny olona mampiasa lehilahy.

    Mbola ezaka be, araka izany, ny fametrahana ny miralenta eto Madagasikara sy amin’ny firenena andalam-pandrosoana. Miainga any amin’ny fanovana toe-tsaina izay tokony hovoizina betsaka ny dingana.

    Ireo olobe sy ray aman-dreny to teny eo an-tanàna tokony ho resy lahatra amin’ny fanomezana lanja ny vehivavy ary izy ireo no hampianatra sy handresy lahatra ny mponina ao an-tanàna.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.