Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tao anatin’ny herintaona : 54 ny fahazoan-dalana hamily fiara nosintonina

     Ho fanatsarana ny fandaminana ny fifamoivozana eto Antananarivo Renivohitra, nampiofana ireo polisy monisipaly ny vaomiera manokana miandraikitra ny fisintonana ny taratasy fahazoan-dalana hamily.

    Nitarika ny fiofanana ny prefektoran’ny polisy, ny kolonely Randriamanjarisoa Robert. Efa nitsangana tamin’ny 20 febroary 2015 araka ny lalàna laharana 004-2015 ny vaomiera miandraikitra ny fisintonana ny fahazoan-dalana hamily. Ahitana ny filohan’ny fikambanan’ny mpitatitra an-dRenivohitra sy ambanivohitra ary ny manamboninahitry ny polisim-pirenena  ao anatiny. Eo koa ny lehiben’ny sampan-draharahan’ny ATT sy ny  filohan’ny “fédération sport automobile” ary ny solontena avy amin’ny kaominina.

    Efa ho herintaona izay no niasan’io vaomiera io. 54 hatramin’izao ny fahazoan- dalana mamily fiara voasintona tamin’ny tompony. Miisa roa kosa ny nosintonina ka tsy naverina intsony, satria moana ilay tompony ary efa nahazo taona be loatra.

    Maro ny antony mety hahavoasintona ireo fahazoan-dalana mamily fiara. Anisan’izany ny fandikana ny lalàna mifehy ny fifamoivozana, mamo eo am-pitondrana fiara, tsy manaiky hijanona rehefa ampiatoan’ ny polisy monisipaly,…

    Tsara ho fantatra ihany koa fa tsy maintsy ho fahadisoan’ ny mpamily irery ihany ny fisintonana ny fahazoan-dalana mamily fiara, toy ny fihetsiny na ny fomba familiany.

    Nandritra ny fampiofanana ny polisy monisipaly, nampahafantarina ireo azy ireo ny lalàna mifehy ny familiana ny fiara, ny fampianarana ny fampiasana ny « permis biométrique » ary ny fanazavana ny mahakasika ny « catégorie » ao anaty fahazoan-dalana mamily fiara. Tsiahivina fa amin’ny taona 2017, tokony efa hiova avokoa ny fahazoan-dalana mamily fiara rehetra, ary ny mahakasika ny « volet d’infraction », mijanona ho iny ihany mandra-pisian’ny fanavaozana.

    Tsy hadinon’ny kolonely Randriamanjarisoa Robert, prefektoran’ny polisy ny nanantitrantitra fa tokony hiara-hientana ny polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena ary ny vaomiera manokana mba hisian’ny fandrindrana ny fifamoivozana eto Antananarivo Renivohitra.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.