Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Boxe – J.O 2016 : hiatrika fisokajiana any Cameroun i Madagasikara

    Mazava. Tsy maintsy miatrika fifaninanana fisokajiana Olympika isika raha te hanana solontena amin’ny Lalao Olympika 2016 (J.O) any Rio, Brezila, eo amin’ny taranja ady totohondry.

    Araka izany, ny Afrique Boxing Competition na AFBC atsy Cameroun, ny volana marsa izao, no fisokajiana Olympika afrikanina. Noho izany, nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny ady totohondry (FMBO), Rabarisoa Hery Mamy, fa tsy maintsy mandalo fifaninanana tsapa eto an-toerana ireo mpikatroka malagasy hahafahan’ireo teknisian’ny federasiona mifantina azy ireo. Aorian’izay vao miroso amin’ny fampivondronana ireo mpikatroka isan-tsokajy voafantina ny FMBO. Raha ny vinavinan’izy ireo anefa, mpikatroka efatra eo amin’ny sokajy lehilahy ary roa eo amin’ny vehivavy no mety handrafitra ny ekipa nasionaly ho any Cameroun amin’ny AFBC.

    M.N.

    Les commentaires sont fermées.