Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Indray mijery

     Tafiditra ao anatin’ny distrika nahazo filazana mavo manambara loza mitatao Antananarivo, omaly, araka ny fanambaran’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Manampy azy Atsinanana, Mangoro, Anjozorobe, Andramasina, Itasy ary ny ilany andrefan’i Vakinankaratra. Nahazo filazana mena, loza mihatra kosa ny faritra Vatovavy Fitovinany, Mahanoro, Anosibe an’ala, Moramanga, Ambatolampy, Antanifotsy, Fandriana, Ambositra sy Manandrina.  Tokony ho mailo ny mponina any amin’ny faritra iva rehetra amin’ny mety ho fiakaran’ny rano tampoka aorian’ny rotsak’orana be andrasana. Momba ny toetry ny andro anio, hanorana tandrifin-drahona mety arahin-kotroka saika manerana ny Nosy afa-tsy ny faritra Atsimo Andrefana, Androy, Anosy ary Ihorombe izay handrahona ny andro. Ho mafy hatrany ny rivotra amin’ny tendrony atsimo.

     

    Nizara fitaovana hanaovana fanatanjahantena ho an’ny sekoly 40 amin’ny Cisco dimy eto Analamanga ny Consulat de Monaco sy ny DREN Analamanga. Nozaraina tamin’izany, baolina dimy sy akanjo  fanamiana 10 ho an’ny EPP. Baolina hand sy baolina basikety ary baolina volley miampy akanjo fanamiana sy tennis ho an’ny  CEG sy lycée.

    Les commentaires sont fermées.