Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mitohy ny krizy : tafidina ambany indrindra ny vidin’ny nikela

     Tsy mety tafarina ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nahatratra 7.720 dolara ny vidin’ny iray taonina ny 12 febroary teo.

    Mitohy ny krizy! Mitotongana hatrany ny vidin’ny akora amin’ny harena an-kibon’ny tany ankehitriny. Ny 12 febroary teo, tafidina 7.720 dolara ny vidin’ny iray taonina, vidiny ambany indrindra hatramin’izay. Raha atao ny fampitahana tato anatin’ny herintaona, tsy nitsahatra nitotongana ny vidiny satria mbola 15.455 dolara/t ny janoary 2015. Ny taona 2007, nahatratra 52.000 dolara/t ny vidiny teo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

    Mamokatra sady manafatra nikela any ivelany i Sina. Nahenany 18% ny famokarany satria be loatra ny vokatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena (tolotra). Misy ambim-bava 1,13 tapitrisa t eo amin’ny tsena, nihoatra 81,69 amin’ny tokony ho izy. Azo ampiasaina ao anatin’ny 219 andro ireo tahiry ireo, araka ny tatitra navoakan’ny mpanadihady iraisam-pirenena INSG.

    Vokatra voalohany fanondran’i Madagasikara

    Eto Madagasikara, vokatra fanondrana voalohany any ivelany ny nikela avy amin’ny tetikasa Ambatovy, nanomboka ny taona 2012, fotoana tena namokarany. Mamatsy ny 3%-n’ny tsena iraisam-pirenena i Madagasikara, anisan’izany ny any Sina, mividy ny 20%-n’ny nikela maneran-tany.

    Manodidina ny 40.000 t-50.000 t isan-taona ny fetra vokariny. Saingy izao tratry ny krizy iraisam-pirenena amin’ny fitotongan’ny vidiny izao, ka sahirana ny orinasa.

    Ankoatra ny nikela, latsaka ambany avokoa ny vidin’ny akora ambanin’ny tany, toy ny solika, ny varahina, ny sns.

    Njaka Andriantefiarinesy

    Les commentaires sont fermées.