Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nitondra valin-kafatra ny minisitra Mahafaly

    Namaly ireo parlemantera zanak’i Sofia ny minisitry ny Atitany sady mpiahy iny faritra iny, Mahafaly Solonandrasana, afakomaly. Nambarany fa tsy manana fifandraisana amin’ny orinasa sinoa ambara fa nividy ny tany any an-toerana ny tenany. « Tsy tompon’andraikitra amin’ny resaka fananan-tany aho ary tsy mahalala izany », hoy izy. Nohitsiny fa tokony hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ireo depiote sy loholona raha manana porofo, hialana amin’ny fanalana baraka. « Tan-dalàna isika… », hoy ihany izy.

    Nambarany koa fa efa nahavitana fotodrafitrasa ireo distrika ao Sofia tao anatin’ny roa taona ka tsy mitombina ny nambaran’ireo parlemantera. « Tsena, tranompokonolona, lapan’ny Tanàna, herinaratra… », hoy ny minisitra.

    Synèse R. 

    Les commentaires sont fermées.