Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Voasambotra teny Itaosy : mahavita DVD piraty 300 isan’andro izy roa lahy

    Voasambotra teny Itaosy : mahavita DVD piraty 300 isan’andro izy roa lahy

     Noraisim-potsiny ! Saron’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahefatra eo Isotry teny Andranomanalina sy Itaosy ireo roa lahy malaza ratsy amin’ny fanaovana DVD piraty. Araka ny fanazavan’ny polisy, nisy lehilahy iray voasambotr’izy ireo teny Andranomanalina, afakomaly antoandro tamin’ny 11 ora. Nampiahiahy ny polisy ny fihetsik’ity lehilahy ity satria nitondra sakaosy mavesatra sady hafahafa fihetsika. Niroso tamin’ny fisavana azy ny polisy ka tratra tao anatin’ilay sakaosy ireo DVD mbola tsy niasa miisa 500 sy jaquette « Safelika saison 15 » marobe. Marihina anefa fa hivoaka adiny roa mialoha ny nahitana ireto DVD ireto ity horonantsary « Safelika saison 15 » ity nefa efa tonga eny am-pelatanan’izy ireo. Nanoro avy hatrany ny toerana fanaovan’izy ireo piraty eny Itaosy ilay lehilahy voasambotra nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nandeha teny an-toerana ny polisy ka tratra tao an-trano teo am-panaovana duplicata ny lehilahy iray naman’ilay voasambotra. Mbola tratra tao an-trano koa ny DVD vierge marobe, jaquette gasy sy vahiny marobe, lecteur marobe, duplicateur miisa roa izay mahavita manao piraty 300 isan’andro, coupe papier, ordinatera iray. Nametraka fitoriana kosa ny Scoop Digital taorian’izay. Mitohy ny famotorana.

    Tsy vao izao ity resaka piraty ity fa efa hatramin’izay. Jerem-potsiny izany eny Analakely sy ny manodidina. Tsy vitan’ny mpanankato sy ny mpitandro filaminana irery anefa ny fanenjehana azy ireny fa mila ny fiaraha-mientan’ny tsirairay amin’ny tsy fividianana ireny horonantsary piraty ireny. Fomban’ny mpanakanto koa matetika rehefa manao dokambarotra ny vokatra aroson’izy ireo ho an’ny mpanjifa ny hoe : « azonao jifaina eny amin’ny mpivarotra mahazatra anao ». Noho izany, tsy mahalala ny olona fa eny amin’ny piraty no mahazatra azy. Tokony hohamafisina ny lalàna fanenjehana ireny mpanao piraty ireny.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.