Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Dimy taona ny Horizon : hivoaka ny sarimihetsika « Tampody 3 »

    Dimy taona ny Horizon : hivoaka ny sarimihetsika « Tampody 3 »

    Niainga tamin’ny « Tsindry aloka I »… Tonga amin’ny « Tampody 3 ». Dimy taona namokarana sarimihetsika ny Horizon. Hivoaka manerana ny Nosy ny 1 marsa izao, ny VCD sy DVD   « Tampody 3 ». Fotoana hisantarana ihany koa ny hetsika hotontosaina ho fankalazana ny faha-5 taon’ity trano mpamokatra sarimihetsika ity. Hanana ny lohahevitra « Ady amin’ny piraty » ny fankalazana, noho izany, « hanova paikady izahay », hoy Razafindrakoto Gérard, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Horizon. « Hotambatambazana ny mpankafy mba hanjifa ny tena izy satria samy manana anjara amin’ny ady amin’ny piraty avokoa na ny mpamokatra na ny mpitia sarimihetsika malagasy. Hisy ny loka lehibe homena (fiara, moto, ordinatera…) ireo mividy DVD na VCD tena izy ka voasarika », hoy izy. Mandritra ny seho lehibe hataon’i Jerry Marcoss ny 28 marsa eny amin’ny Coliseum no hanatanterahana ny fisarihana.

    Marihina fa miara-miasa amin’ny Horizon amin’izao ezaka iadiana amin’ny piraty izao ny brigady miady amin’ny piraty (BAP) sy ny Omaci.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.