Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hatolotra ny fampanoavana ny alatsinainy : “I Stéphanie no tena atidohan’ny kidnapping”, hoy ny polisy

    Hatolotra ny fampanoavana ny alatsinainy : “I Stéphanie no tena atidohan’ny kidnapping”, hoy ny polisy

    Efa mamarana ny famotorana an’i Stéphanie ny polisin’ny BC. Resy lahatra ireto farany fa tena atidoha amin’ny fakana an-keriny eto amintsika izy ity. Hiatrika ny fitsarana tsy ho ela izy io.

    Hatolotra ny fampanoavana, ny alatsinainy izao, i Roger Lala Stéphanie, raha tsy misy ny fiovana. Naharitra roa andro ny famotorana azy, ary voalaza fa efa tapitra nohenoina avokoa ny fanazavana nentiny tamin’ireo fanadihadiana rehetra natao azy momba ny “Raharaha kidnapping”. Araka ny filazan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny BC Anosy, “Raharaha fakana an-keriny” an’i Arnaud sy Annie tany Toamasina ny volana novambra lasa teo ity vehivavy ity. Toy ny efa niaiky ny heloka nataony izy teo anoloan’ny famotorana nataon’ny polisy. Nahitana ny dian-tanany avokoa rehefa trangana fakana an-keriny. Midika ve izany fa tsy misy olona hafa mety ho atidoha ambadika na ambonin’ity ramatoa ity intsony? Tapitra eo aminy ny “Raharaha fakana an-keriny”? Tsy nisy olona ambony voatonontonona hafa intsony? Raha ny olona hafa voatonontonona aloha, mbola misy ilay vehivavy mpimasy atao hoe Ikalanoro mandehandeha any. Tsy mba anisan’ny voasambotra izy ity. Heverina fa mety mbola ho sarona ihany koa io vehivavy iray io, fantatra fa anisan’ny niray tendro sy nilalao ody tamin’ny “Raharaha fakana an-keriny”. Tsy nahenoam-baovao intsony kosa ny momba ilay mpitsara voatonontonona tamin’ity fakana an-keriny ity. Izay anontaniana ny momba azy sy ny tohin’ny raharaha momba azy, milaza ho tsy mahalala na inona na inona. Ny vaovao farany, tazonina any Manjakandriana izy io. Tsy fantatra izay ho tohiny, ho tapitra hatreo ny momba ny tantara kidnapping? Ahoana ny momba ilay mpitsara, ireo olona hafa voatonontonona, ireo basy sy grenady tratra nampiasain’ireo jiolahy.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.