Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Jiujitsu brésilien : mizara ny traikefany i Gratien Beuf

    Jiujitsu brésilien : mizara ny traikefany i Gratien Beuf

    Gratien Beuf. Manampahaizana sady mpikatroka jiujitsu brésilien avy atsy La Réunion. Mandalo eto Madagasikara ny tenany amin’izao fotoana izao. Noho ny fiarahany miasa amin’ny Checkmat jiujitsu Madagascar, tarihin’ny filohany Andriamifidimanana Laza.

    Mizara ny traikefany eo amin’ny jiujitsu brésilien i Gratien Beuf, nanomboka ny alakamisy 25 febroary teo hatramin’ny anio etsy amin’ny Pacom Ankorondrano.

    Raha ny fanazavana, natokana fotsiny ho an’ireo mpikatroka mpikambana ao amin’ny Checkmat jiujitsu Madagascar ny fiofanana nandritra ny roa andro, ny alakamisy sy zoma teo, ary misokatra ho an’ireo mpikatroka tsy ankanavaka kosa anio.

    Tanjon’ny Checkmat Jiujitsu Madagascar ny hisian’ny fifanakalozana ho fanomanana ilay fifaninanana iraisam-pirenena hotanterahina eto Madagasikara, ny 19 sy 20 marsa izao. Mbola hisy ny fiofanana manaraka izay tarihin’ity manampahaizana avy atsy La Réunion ity.

    M.N.

    Les commentaires sont fermées.