Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Minisiteran’ny Fambolena sy ny FAO : magazay fitahirizana fanafody any Toliara

    Ananganana magazay lehibe manaram-penitra hitahirizana fanafody famonoana bibikely sy ireo barika avy nampiasaina any Toliara. Azo antoka ara-pahasalamana sy ara-tontolo iainana

    Nanomboka, omaly, ny asa fanorenana trano lehibe, any amin’ny kaominina Betsinjaka, distrika Toliara II, faritra Atsimo Andrefana. Natao hitahirizana fanafody sy ny barika foana, avy namonoana valala ity magazay ity, notohanan’ny governemanta japoney, ary iaraha-miombon’antoka amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo (FAO).

    Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa mandritra ny telo taona ao anatin’ny sokajy fitandroana ny fahasalamana sy fiarovana ny tontolo iainana ity fanorenana magazay tohanan’ny japoney ity. Saropady ny fanafody famonoana bibikely sy valala, ka mila toeram-pitahirizana azo antoka sy manara-penitra ara-pahaslamana sy ara-tontolo iainana. Magazay lehibe indrindra eto Madagasikara ity haorina any Toliara ity. Mampiavaka azy ny fisian’ny fanadiovana ny rano avy nampiasaina sy fandevonana ny akora simika. Nanatrika ny fotoana, omaly, ny filoha Rajaonarimampianina, ny minisitry ny Fambolena, Ravatomanga Roland, ny solontenan’ny FAO eto amintsika, Patrice Talla Takoukam, ny masoivohon’i Japon eto Madagasikara, Sem, Ryuhei Hosoya.

    Mitentina 37 tapitrisa dolara ny tetibidin’ny fiaraha-miasa amin’ny Japoney maharitra telo taona (2013-2016).

    CMS

    Les commentaires sont fermées.