Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Polisim-pirenena : mankalaza ny faha-55 taona nijoroany

    Polisim-pirenena : mankalaza ny faha-55 taona nijoroany

     « Polisim-pirenena manaja ny maha olona, andrin’ny fampandrosoana ». Io ny lohahevitra iompanan’ny fankalazana ny faha-55 taona nijoroan’ny polisim-pirenena amin’ity taona 2016 ity. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny komitin’ny fankalazana, ny Contrôleur général de police, Velontsara Marcel, hetsika maro samihafa no entina mankalaza izany. Fivavahana iraisam-pinoana hatao enyamin’ny Katedraly katolika Andohalo, ny 4 marsa 2016 amin’ny 9 ora maraina izay hotarihin’ny FFKM no hanokafana ny fankalazana amin’ny fomba ofisialy. Ny 30 septambra 2016 kosa vao nifarana izany. Hisy koa ny hetsika ara-panatanjahantena (fampisehoana haiady, hazakazaka, basket ball, foot ball ary tsipy kanetibe). Eo koa ny fampisehoana an-tsehatra izay hatao eny Antsonjombe, ny 28 mey 216 izao arahin’ny valandresaka sy adihevitra mifantoka amin’ny fiainan’ny polisim-pirenena amin’ny ankapobeny. Hisy koa ny varavarana misokatra arahina fampirantiana ny lalana nodiavin’ny polisim-pirenena, ny 27-28-29 septambra 2016 eo anoloan’ny lapan’ny tanàna Analakely. Hofaranana amin’ny fitokanana ny tsangambato fahatsiarovana sy fanolorana mari-boninahitra eny amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny fankalazana.

    Nosafidin’ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena manokana io lohahevitra io satria tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy misy fandriampahalemana.

    Hisy ny fifaninanana ho an’ireo kaomisaria mendrika. Mendrika eo amin’ny fahadiovana, ny fitondrantenan’ireo polisy, ny fahaizana mandray olona, ny fahakingana ao anatin’ny fandraisana andraikitra.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.