Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ampasikely Amparafaravola : ifanenjanan’ny Tim sy Avana ARD ny toeran’ny ben’ny Tanàna

    Iza marina no ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Ampasikely, distrikan’Amparafaravola?

    Nambaran’ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana (TA), Toamasina, ny 18 septambra 2015, fa voafidy ho ben’ny Tanàna Ampasikely ny kandidà Tim, Raharimalala Saholinirina.

    Niova izany tamin’ny didy farany navoakan’ny TA, Toamasina, ny 3 febroary: ny kandidàn’ny Avana ARD, ny Dr Robinson Jean-Louis, indray no voafidy ho ben’ny Tanàna amin’io kaominina io.

     

    Amin’ny ampahany ny voka-pifidianana navoaka

     “Nanaovana famindram-pahefana raha vao nivoaka ny voka-pifidianana amin’ny ampahany voalohany. Amin’izao fotoana izao, tokony hanao famindram-pahefana amiko miaraka amin’ny ben’ny Tanàna teo aloha ihany Ramatoa ben’ny Tanàna izay nanao famindram-pahefana teo”, hoy ny Dr Robinson Jean-Louis, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, tamin’ny herinandro.

    Ny fiheverany azy, tsy tokony hisy olana. Raha misy olana: mitsara indray ny fitsarana, raha  tsy manaiky ny didim-pitsarana. Zavatra hafa indray izay…

    Mitsipaka marindrano ny Tim

    “Tsy marina ny filazan’Ingahy Robinson Jean-Louis hoe voka-pifidianana amin’ny ampahany no navoakan’ny TA, Toamasina, ny 18 septambra 2015, ary tsy tao anatiny ny kaominina Ampasikely Amparafaravola.” Io ny valin-tenin’ny filoha lefitry ny Tim, faritra Alaotra Mangoro, Randriamamizafy Ignace, ny faran’ny herinandro teo.

    Nisy tovana fitsarana lah.12 ho an’ny kaominina Ampasikely tao anatin’io:  voafidy ho ben’ny Tanàna Ampasikely ny kandidà Raharimlalala Saholinirina. Nefa mbola manohy mitsara ny raharaha ihany ny TA, Toamasina.

    Ny didy navoakan’ny TA, Toamasina, ny 3 febroary: tsy milaza hoe foana ny didy navoakany ny 18 septambra 2015 momba an’Ampasikely, ary foana ny didy navoakan’ny Filankevi-panjakana ny 11 desambra 2015.

    “Iza izany izao no arahina: Ny didy navoakan’ny TA tany Toamasina tamin’ny 18 desambra nohamafisin’ny Filankevi-panjakana, Antananarivo, 11 desambra 2015, sa ny didy farany navoakan’ny TA, Toamasina, ny 3 febroary?” hoy ihany izy.

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.