Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ankadivato : tovolahy tsy ampy taona 3 tratra nanendaka

    Ankadivato : tovolahy tsy ampy taona 3 tratra nanendaka

    Tsy fisian’ny asa, fahantrana, zaza ratsy taiza? Tovolahy tsy ampy taona telo, 16 taona, tratra  teo am-panendahana voasambotry ny polisin’ny boriborintany fahatelo, teny Ankadivato, ny herinandro teo. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva, finday tany amin’ny olona hamonjy fodiana no nendahin’izy ireo. Niantso vonjy io. Nisy polisy tsy lavitra teo ka raikitra ny fisamborana. Tsy lasa lavitra, tratra izy telo lahy kely. Rehefa nofotorana ireo, nilaza fa nohon’ny tsy fananam-bola hidirana amina “balle des jeunes” eny an-toerana no antony hanendahan’izy ireo.

    Tsy zava-baovao eny Ankadivato sy ny manodidina iny, anefa ny fanendahana rehefa hariva. Hatrany Ambanidia, Antaninandro ahitana izany asa ratsy izany, rehefa hariva amin’ny ora fodian’ny mpiasa sy ny mpianatra iny. Na ireo mpandeha an-tongotra, na ny any anaty fiara, lasibatra avokoa. Maro ny fitarainana ataon’ny olona. Heverina fa efa mpanao asa ratsy eny an-toerana ry zalahy tratra ireto. Natolotra ny fampanoavana ny zoma teo, izy ireo.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.