Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Katolika : nomarihina ny fiarovana ny voaary

    Nomarihina ny faran’ny herinandro teo ny andro katolika ho fiarovana ny voaary eto Madagasikara. Samy hanamarika izany avokoa ny herivelon’ny fiangonana katolika manerana ny Nosy, araka ny faritra misy azy avy. Ho an’ny eto Antananarivo, ankoatra ny hetsika ataon’ny isam-piangonana, hisy ny hetsika iombonan’ny vovonam-pirenena katolika ny tanora miaraka amin’ny tanoran’ny fiangonana katolika eto amin’ny arsidiosezin’Antananarivo. Homarihina amin’ny fanadiovan-dalana sy fambolen-kazo miainga eo Mahazo hatrany amin’ny toby Akamasoa.

    Nisy ihany koa hetsika natao ao amin’ny foiben’ny asa laika diosezin’Antananarivo ( Falda), nanomboka ny faran’ny herinandro teo, amin’ny sehatry ny sekoly katolika. Samy hanao hetsika ny isan-tsekoly araka izay mahamety azy fa ny asabotsy lasa teo kosa, namboly hazo miisa 6 140 fototra ireo mpianatra sy mpanabe ary ny ray aman-dreny eny amin’ny distrikan’i Fenoarivo ka eny Ambohimanandray no hanaovana izany.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.