Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ny alarobia izao : tombanana hirotsaka be ny orana any Atsimo

    Tombanana hilatsaka any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ny alarobia ho avy izao, ny rotsak’orana mety hahatratra 40 mm ao anatin’ny12 ora. Vokatry ny fisian’ny « dépression » andro ratsy hitoetra ao amin’ny ilany andrefan’i Morombe no mitarika ny rotsak’orana, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Raha ny tokony ho izy, rotsak’orana milatsaka ao anatin’ny tapa-bolana na iray volana no mitobaka ao anatin’ny 12 ora. Vokany, ahina ihany ny vokany amin’ny fiainan’ny mponina any an-toerana.  Tranga tsy fahita loatra any amin’iny faritra iny ny orambe indray mirotsaka ao anatin’ny ora maromaro ka nahatonga ny teknisianina hanentana sahady ny mponina ho mailo. Nahazo fampitandremana, noho izany, ny faritra Atsimo Andrefana iray manontolo sy ny distrikan’i Manja manokana. Handefa vaovao tsy tapaka amin’ny fivoaran’ny toetry ny andro sy ny tandindon-doza ny tomponandraikitra. Hahazo orana indray izany ny tapany atsimo ao anatin’ny roa andro ho avy. Manditra ny roa andro manaraka (anio sy rahampitso) no hivoaka mazava tsara ny fahabetsahan’ny orana ho avy.

     

    Ho avy ny orana eto Antananarivo

    Mahakasika ny toetry ny andro anio, hanorana tandrifin-drahona malefaka any Atsimo Andrefana sy Androy. Arahin-kotroka kosa izany ho an’ny faritra hafa manerana ny Nosy ny tapany hariva. Eto Antananarivo manokana, ho betsaka ny rotsak’orana ny takariva sy ny alina izay efa nilatsaka kely halina raha ny tombana. Hitohy izany ny talata sy alarobia fa hihena kosa ny refiny. Hiverina ho maina indray ny andro ny alakamisy ho an’ny Renivohitra, araka ny fanazavana azo omaly teny Ampandrianomby.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.