Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Resaky ny mpitsimpona akotry : harena sy fahantrana mifampitantana

    Resabe kosa ny fitenenana hoe harena sy fahantrana mifampitantana, andeha atao hoe fomba fanairana na fanitikitihina ny saina amin’ny adihevitra, ny tena izy angamba dia ny firaisa-monin’ny fahantrana sy ny harena, azo lazaina ho mpifanolo-bodirindrina. Mifanena samy mirihariha tsy ankanavaka eny an-dalambe ny sahirana sy ny mpanana. Fomba fiteny ihany moa ny fanambarana hoe tsy ankanavaka, maro ireo sehon-javatra mampiavaka, na atao hoe ny kapa anaovan’ny sasany sy ny fiara taingenan’ny hafa. Misy koa ny toerana tsy dia maha lianan’ny madio lamba andalovana ary sedran’izany ny sahirankirana eo amin’ny fitafy dia vao mainka ho sahirana andingana any amin’ny faritra fonenan’ny mpanana. Na izany aza raha ampitahaina amin’ny any ivelany dia vitsy ihany izany toeram-ponenana voafaritra mampisaraka ny mpanana amin’ny sarababem-bahoaka izany. Ny faritra misy ny sahirana moa dia miavaka ho azy fa ireo faritra be fahasahiranana ho an’ny fonenana, na momba ny lalana izany, na mikasika ny tontolo iainana, tsizarizary hatrany.

    Ivelan’ny any anaty honahona matetika dia ny fokontany rehetra dia samy ahitana mpanana sy mahantra na samy miavaka aza ny bikan’ny fonenany. Rehefa miseho anefa ny ratsy dia gaga ihany ny mpiray tanàna raha maheno ny harena voaroba tatsy amin- dRanona. Fantatry ny rehetra fa tsy sahirana io fianakaviana io, fa tsy nisy nanampoa ny fisian’ny tahirim-bola toy ilay nambara lasan’ny jiolahy tao amin’io tokantrano io. Tsy nisy tena gaga ny olona manodidina, iza intsony moa no ahafantatra ny any an-tsopitry ny mpifanila rindrina, eo ny mpidehadehaka tia deradera miseho matevina noho ny tena hatevenan’ny ao anatin’ny paosiny, andaniny kosa ireo mitampifimpify feno ahiahy tsy fantatra ny vokatry ny fialonana fa indrindra indrindra ny mety ho fanafihan’ny jiolahy, ireto moa dia lava maso malaza toa ani Trimobe izay eo ampanenjehana ny zaza tsy mitsahatra ny miteny hoe “maimbo olombelona, maimbo olombelona”, ny tontakely koa hono dia maranitra orona, raha manakaiky vola dia mipelikelika ny vavoriny toy ny alika maheno fofon-drà na hena. Matetika koa moa dia ny ao an-trano ihany no miray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy. Ny mahagaga dia ny fahitan’izy ireny ny jiolahy hanao izany, tsy misoratra an-tava anefa ny maha olo-marina na ny maha jiolahy. Ny harena koa mahafantatra izay ho fidiany.

    Léo Raz

    Les commentaires sont fermées.