Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Asa tanamaro : nanadio tanàna ny tanora HVM

    Asa tanamaro : nanadio tanàna ny tanora HVM

    Mitondra fanampiana ho an’ny olona sahirana sady manadio tanàna ny hetsiky ny tanora HVM, omaly, teny amin’ny fokontany Tsimbazaza. Asa tanamaro no natao, 50 ny olona miasa manditra ny roa andro ka miaraka amin’ny fokontany ny fisafidianana azy ireo. Manadio ny tokontany sy ny manodidina ny ivontoeram-piofanana teknika sy haiasa ho an’ny vehivavy izy ireo. Roa andro ny faharetan’ny asa, 3 000 ny karama ka miova isan’andro ny mpiasa mba samy hahazo ny anjarany ny rehetra, hoy ny fanazavan’ny mpitondra teny, Rabetafika Tahina. Tanterahina amin’ny fokontany maromaro eto an-drenivohitra ny fanadiovana ny tanàna. Mifototra amin’ny fanatsarana ny andavanandron’ny mponina ny hetsiky ny tanora HVM.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.