Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Alasora : razana 6 lasan’ny mpangalatra taolam-paty

    Nitrangana vaky fasana indray teny Idoho, fokontany Miadana Alasora, afakomaly hariva. Lasan’ireo mpangalatra taolam-paty tamin’izany ireo razana enina tao am-pasana. Araka ny fanazavan’ireo tompom-pasana, mpiandry omby iray no nahatsikaritra fa mivoha ny fasan’ilay fianakaviana. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny tompom-pasana sy ny zandary avy ao amin’ny poste Avancé Alasora nijery sy nanao ny fanadihadiana. Tsikaritra tamin’izany fa very razana miisa enina ka lasan’ireo jiolahy avokoa ny taolan-dava rehetra tamin’ireo razana ireo. Nakorontan’izyireo kosa ny ambin’ireo taolana tsy zakan’izy ireo. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha vaky fasana ity.

    Tsy mbola tratra kosa ireo nahavanon-doza sy tompon’antoka tamin’izany.

    Tena mirongatra mihitsy koa ity halatra taolam-paty ity efa an-taonany maro izay. Tsy fantatra mihitsy izay ambadika sy atidoha mikotrika azy ity. Maro ireo olon-dratsy efa naiditra am-ponja saingy mikombom-bava tsy mety manoro ireo atidoha ireo mpangalatra. Aiza ny fandraisana andraikitra amin’ity raharaha ity ?

    J.C

    Les commentaires sont fermées.