Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Misy taranja efatra : 150 ny mpiofana eny amin’ny CFPF Tsimbazaza

    150 amin’izao fotoana izao ny vehivavy manaraka fiofanana momba ny asa ao amin’ny ivontoeram-piofanna teknika sy haiasa ho an’ny vehivavy (CFPF), eny Tsimbazaza, izay nisokatra ny volana febroary lasa teo. Tanjona ny hamphaleo tena ny vehivavy ara-bola amin’ny fihariana nosafidiany manokana. Natokana ho an’ny vehivavy eto Antananarivo ny fiofanana ao anatiny ka natomboka amin’ireo monina ao amin’ny fokontany sy ny manodidina izany, araka ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny ivontoerana, Razakaboana Bakoly, teny Tsimbazaza ny alatsinainy lasa teo.

    Efatra ny lalam-piofanana azon’ny andriambavilanitra isafidianana : hai-fy ; zaitra, asan-jaridaina ary informatika. Telo volana ny faharetan’ny fiofanana, 5 000 Ar ny vola aloan’ny mpiofana rehetra hofandraisana anjara. Ora enina isan-kerinandro ny fiofanana ho an’ny zaitra ary ora efatra ny taranja ankapobeny : tenim-pirenena vahiny, fizika, simia, arakaraka ny lalam-piofanana ianarana. Tsy misy fetran-taona ho an’ny mpiofana satria misy ankizy kilasy 8ème efa niala an-tsekoly miofana ao amin’izao fotoana izao. 15 ny mpiasa mampihodina ny ivontoerana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana momba ny asa.

    Vonjy 

    Les commentaires sont fermées.