Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Sombin-tantara sy tantara foronina : hanome fiofanana ny Havatsa-Upem

    Sombin-tantara sy tantara foronina : hanome fiofanana ny Havatsa-Upem

    Na heverina fa tsy ahitana lesoka goavana toy ny zavakanto sasany aza ny tontolon’ny  soratra eto an-toerana, tsapa ho manana izay mahaosa azy izy ity, raha ny fanazavan’ny mpikaroka. Iray amin’izany ny tsy fahampian’ny mpanoratra tantara foronina. Anisan’ny antony hanohizan’ny Havatsa-Upem ilay atrikasa fiofanana momba ny fanoratana sombin-tantara sy tantara foronina ny 5 marsa izao ka hatramin’ny 2 jolay izao. Afaka mandray anjara avokoa na ny efa mpanoratra na ireo vao hanoratra.

    Hampiofana sy hizara ny traikefany i I. P Andriamangatiana (mpampianatra) Andriamanantsilavo Seth (mpampianatra mpikaroka oniversite Antananarivo), Andrianasolo Hajaina Naomy (mpampianatra mpikaroka oniversite Antananarivo), Rajohanesy Beby (mpampianatra mpikaroka oniversite Antananarivo), Rakotoson Lala Agnès (mpampianatra).

    Marihina fa tanterahina isaky ny asabotsy voalohany sy fahatelo amin’ny volana ao amin’ny efitranon’ny Havatsa-Upem (rihana I Tahala Rarihasina Analakely) ity atrikasa ity.

    HaRy Razafindrakoto

    Une réponse à "Sombin-tantara sy tantara foronina : hanome fiofanana ny Havatsa-Upem"

    1. Maharizo Samuel  27/06/2016 à 13:48

      ANDRIAMAHARIZO Samuel no anarako, manam-paniriana ny hanoratra ka ho tonga manoratra. Lavitra anefa ny toerana misy, inona ny torohevitra azo omenao ahy? Efa manana sanganasa vita aho ankehitriny

    Les commentaires sont fermées.