Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Amitié Fandian : hiverina indray ry Iraimbilanja

    Amitié Fandian : hiverina indray ry Iraimbilanja

    Raha toa ka efa miaka-daza ireo mpanakanto tanora eo amin’ny tontolon’ny rock, mbola manana ny toerany ary miverina tsikelikely koa ireo efa andrarezina. Nampamiratra ny tontolon’ny rock iny taona nivalona iny, ary be ny fanantenana amin’ity, raha tarafina amin’ireo hetsika efa nisy sy vao homanina. Taorian’ny fahombiazana hitan’ny tarika Kiaka ny faran’ny herinandro teo, fantatra indray izao fa anisan’ny hetsika handrasan’ireo mpankafy ny fiakarana an-tsehatra hataon’ny tarika Irambilanja, ny zoma 4 marsa manomboka amin’ny 9 ora alina, eny amin’ny Amitié Fandian (Samara taloha), eny Ankadindramamy.
    Efa tao amin’ity toearana ity ny tarika, ary anisan’ny fotoana nafana niarahana tamin’ireo mpankafy izany. Antony iray hamerenana azy indray, satria mifanakaiky kokoa ny mpanakanto sy ny mpijery. Araka ny fanazavan’i Niry, solontenan’ny tarika Iraimbilanja tao amina onjam-peo iray, handahatra ireo hiran’ny tarika heveriny fa handrasan’ny maro izy ireo. Hisy ampaham-potoana, hahafahan’ireo mpijery mifampizara sehatra amin’ny tarika ihany koa.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.