Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Minisitra Atallah Béatrice : « Hiteraka asa ny Frankofonia »

    « Hiteraka asa marobe ny fandraisantsika ireo fihaonana an-tampony roa : Comesa sy ny Frankofonia. Hanofa trano sy hotely ary fiara ireo vahiny ho avy eto. Marobe ireo hotely efa voafandrika amin’izao fotoana izao, hatreny Ivato izany », hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice, omaly tetsy Anosy.  Nambarany fa efa misy firenena iray izao mitady fiara hatramin’ny 50 any ho any, hampiasaina amin’io fivoriana io. Eo koa ny firenena hitondra fiaramanidina dimy. « Tsy amin’io fotoana io ihany fa aorian’ireo fihaonana an-tampony indroa miantoana ireo, hanao tohivakana ny fandraisantsika fivoriana iraisam-pirenena », hoy ihany izy.

    Nohamafisiny fa efa miomana tanteraka amin’izany rehetra izany ny eo anivon’ny fitondram-panjakana, indrindra ny ao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny.

    Mifandraika amin’izany indrindra, anisan’ny noresahina tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly teny Iavoloha, ny hanamboarana ny lalana mampitohy ny seranam-piaramanidina Ivato amin’ny tanànan’ny Frankofonia etsy Andohatapenaka sy amin’ny lalana « Boulevard de l’Europe ».

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.