Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Na tsy misy aza ny delestazy : tapatapaka ny jiro eto an-dRenivohitra

    Milaza ny Jirama fa ampy tsara ny tanjaka mamatsy ny herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina. Na izany aza, mateti-pitranga ny fahatapahana madinika sy tsy maharitra, mampiovaova ny herin’ny herinaratra, ary miantraika any amin’ny fitaovana ampiasaina andavanandro. Niteraka zava-doza anefa ireny fahatapahana ireny satria saika avy amin’ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra (cour circuit), ny nahatonga ny haintrano teto an-dRenivohitra, raha tsy hiteny afa-tsy ny teny Ambohimangakely sy 67 ha, andro vitsy lasa izay.

    Manoloana ireo, nanazava ny tompon’andraikitry ny Jirama fa mahatonga ny fahatapahana ny haratsian’ny toetr’andro. “Marina fa tsara sy maina ny andro teto Antananarivo ny alahady teo, saingy nanorana be sy nisy kotrobaratra mihitsy tany amin’ny toerana mpamatsy sy mpamokatra herinaratra, toy ny any Andekaleka”. Rehefa mitranga ny haratsian’ny toetr’andro toy ireny, tapaka ho azy ny famatsian-jiro, saingy tsy miaraka averina avy eo, fa atao tsikelikely arakaraka ny laharam-pahamehana. Toy ny any amin’ny tranom-panjakana, ny fonja, ny hopitaly, sns.

    Tsy nahazoana fanazavana kosa ny fahatapahan’ny herinaratra matetika ao anatin’ny fotoana fohy sy ny fiovaovan’ny tanjaka rehefa miverina.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.