Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Indray mijery

    « Enim-bolana taorian’ny fanambarana nataon’ny kaomandin’ny zandarimaria, ny Jeneraly Rakoto François Rodin momba ny fanokafana fanadihadiana tamin’ny herisetra izay nahazo ny mpitarika ny hetsiky ny mpianatra Jean Pierre Randrianomanana, dia miandry ny vokatr’izany fanadihadiana izany izahay », hoy ny avy ao amin’ny masoivoho amerikanina.  Miandry ihany koa ny dingana efa nataon’ireo mpitandro ny filaminana hisorohana ny fiverenan’ny tranga toa ireny amin’ny ho avy.

    Nankasitrahan’ny masoivoho amerikanina tamin’ny fotoana nivoahany ny fampanantenana ny hanaovana fanadihadiana lalina sy mangarahara momba iny tranga iny. Dingana iray ho an’ny demokrasia toa an’i Madagasikara ny fanajàna ny tany tan-dalàna sy ny tamberin’andraikitr’ireo manam-pahefana.

    Les commentaires sont fermées.