Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Minisitry ny Fahasalamana : « Sehon’aretina azo tsaboina ny ambalavelona » 

     Ambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Andriamanarivo Lalatiana izay nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly teny Ambohidahy, fa sehon’aretina vokatry ny fikorontanan-tsaina noho ny horohoro ara-tsaina, ara-batana sy ara-panahy ny ambalavelona. Miseho amin’ny alalan’ny fikorontanam-pihetsika ataon’ny olona iray tsy toy ny andavanandro izany. Mety ho tsotsotra toy ny hoe tsy miteny mihitsy ny fisehony. Nefa koa mety ho tonga amin’ny fanaovana fihetsika mahery.

    Samy manana ny fiantsoany azy ny sokajin’olona fa ambaran’ny mpimasy ho mosavy izany raha asan’ny devoly kosa eo amin’ny mpivavaka, araka ny fanazavany ihany. Mora andairan’ny ambalavelona ny adolantsento eo anelanelan’ny 10 taona-17 taona noho izy ireo eo an-dalam-pitomboana ka mora tohina. Tokony hanatona avy hatrany eny amin’ny tobim-pahasalamana raha misy olona tratran’ny ambalavelona. Efa misy rahateo ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’ny fandraisana an-tanana ny sehon’aretina. Manamafy ny minisitra fa azo tsaboina ny ambalavelona ka tsy misy tokony hatahorana mihitsy.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.