Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fimpima Andrefan’Iarivo : hotokanana ny filohan-tsampana

    Fimpima Andrefan’Iarivo : hotokanana ny filohan-tsampana

    Voafidy ho filohan-tsampana hitondra ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy Andrefan’Iarivo indray Razafindralambo Andriamamonjy Eddy fantatry eo amin’ny tontolon’ny zavakanto amin’ny anarana « Randy ». Hotontosaina rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny FJKM Anosisoa Fitiavana Ambohimanarina ny fanompoam-pivavahana ho fanokanana azy sady fanokafana rahateo ny faha-15 taon’ny sampana.

    Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’izany ny fampisalorana rado amin’ny maha filohan-tsampana azy. Fanolorana ireo birao vaovao hitantana indray ity sampana ity ao anatin’ny dimy taona ary fanolorana peta-tratra ho any mpikambana Fimpima. « Mampiavaka ny sampana Andrefan’Iarivo ny fivoizana ny kabary enti-mitory ny Filazantsaran’i Kristy », hoy Randy. Marihina fa ankoatra ny nahavoafidy azy indray ho filohan-tsampana, Razafindralambo Andriamamonjy Eddy no nanorina ity sampana ity tany amin’ny 15 taona lasa.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.