Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Sport étude : «Efa voaloa ny trosa», hoy ny minisitra Anicet

    Sport étude : «Efa voaloa ny trosa», hoy ny minisitra Anicet

    Nambaran’ny minisitry ny fanatanjahantena Andriamosarisoa Jean-Anicet, fa efa vita ary nankatoavina nandritra ny filankevitry ny governemanta, ny didy hitsivolana, manangana ara-dalàna ny «sport étude», ao amin’ny Académie Nationale des Sports. Ankoatra izay, efa voaloa avokoa ny trosa rehetra na ho an’ireo mpanazatra na ny an’ireo ankizy, nandrato fianarana tao.

    Efa nanomboka tamin’ity herinandro ity, ny taom-pianarana 2016, ho an’ireo atleta 70 mianadahy nahazo izany, izay avy amin’ny taranja miisa 7. Omena vahana manokana amin’ity ireo ankizy, izay hiatrika ny lalaon’ny CJSOI 2016.

    Ankoatra izay, notanterahina omaly, teny amin’ny ivo toeram-piofanana eny Carion Manjakandriana, ny fambolen-kazo nataon’ny mpiasan’ny minisiteran’ny fanatanjahantena sy ny tanora, notarihin’ny minisitra Jean-Anicet. Hazo fihinam-boa toy ny manga, paiso, zavokà, paoma ary kaki sy hazo handravaka ny tanàna ary voninkazo raozy sy Arocaria ary Ravintsara, nambolena, teny an-toerana.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.