Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tontolo iainana : namboly hazo Imerinafovoany

    Nandray anjara amin’ny « Andro katolika ho fiarovana ny voahary” ny Ekar distrika Imerinafovoany, ny herinandro teo. Notanterahina tao amin’ny Grands Seminaristes Amboara Ambohidratrimo izany tamin’ny alalan’ny fambolena hazo fihinamboa mba ho fanampin-tsakafon’ireo mpiofana rahatrizay ka vokatra. “Efa nisy ny hetsika teo anivon’ny zana-piangonana; toa an’Imerinafovoany, saingy natao izao ho fiaraha-mientan’ny distrika”, hoy ny mompera Fulgence, mitondra ny Ekar Imerinafovoany.  Nambarany fa tokony ho hita taratra ny fiarovana ny hasina mahaolona eo amin’ny tsirairay : miainga amin’ny fikolokoloana ny vatana hatrany amin’ny fanajana ny hafa sy ny tontolo manodidina. Nohamafisin’ny filohan’ny distrika, Randriamanantsara Bakoly, fa mba tsy ho vitan’izao fambolen-kazo natao izao ihany ny fiarovana ny voahary. “Tokony hiaro ny tontolo iainana any amin’ny misy azy ny tsirairay. Ao anatin’izany ny fahadiovana, ny fanariana fako ary ny fahadiovana na ao an-tokantrano”, hoy izy.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.