Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fifaninanana hidirana ho mpandrahan’ny fonja : «Nanjaka ny kolikoly», hoy ny mpiadina sy ny ray aman-dreny

    Fifaninanana hidirana ho mpandrahan’ny fonja : «Nanjaka ny kolikoly», hoy ny mpiadina sy ny ray aman-dreny

    Velon-taraina ny ankamaroan’ireo mpifaninana tamin’ny fifaninanana hidirana ho mpandraharaha ny fonja ao amin’ny sekoly fampiofanana mpandraharaha ny fonja ao Antetezambaro Toamasina. Ny 28-29-30 septambra 2015 no nanatanterahana ny fifaninanana hahafahana miditra ao amin’ny sekoly. Nametraka fitarainana eo anivon’ny birao mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly sy nanomana taratasy mirakitra ireo porofo tsy azo lavina ireo niharan’izany. Nanatanteraka valandresaka tamin’ny mpanao gazety, ny faran’ny herinandro teo tao Toamasina, araka izany, ireo niharan’ny kolikoly izay nolazain’izy ireo fa mitsinjara ho toy izao izany. Raha te ho afaka ho « agent pénitentiaire » dia mandoa vola 3 tapitrisa Ar, « encadreur », mandoa 4 tapitrisa Ar Ar raha toa ka 8 tapitrisa Ar kosa ra te ho afaka amin’ny « contrôleur ». voalazan’izy ireo koa fa 400 000 Ar ny vidin’ny laza adina.

    Nandritra ny fivoahan’ny lisitr’ireo afa-panadinana ny volana janoary teo anefa nisavoritaka ny anaran’ireo afa-panadinana sy ny laharany. Tsy mifanaraka amin’ny anarana sy ny laharana izay mifamadibadika ka tsy fantatra intsony izay tompon’ny laharana sy ny anaran’ny afaka tamin’ny fanadinana. « Tsy ny mahay no afaka fa ny manambola ka noho izany famitahana ny asam-panjakana », hoy hatrany izy ireo. Niezaka nanatona ny talen’ny sekoly ao Antetezambaro kosa ny mpanao gazety momba ity raharaha ity, saingy tsy tao an-toerana izy raha ny fanazavan’ireo mpiara-miasa aminy.

    Tena misy, araka izany, ny kolikoly amin’ny fanadinam-panjakana.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.