Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hitsy toraka : ampy izay r’ise a!

    Hisesisesy ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona ato ho ato. Efa samy manao izay ho afany avokoa, na ireo am-perinasa na ireo manana fikasana, hiditra amin’izany. Ny zavatra tsikaritra aloha, mikiry tsy mety miala ireo izay efa nitondra ary mbola miady fo aman’aina, hitantana indray mandeha indray.

    Misy ireo mendrika izany, satria nahavita be ary niarahan’ny rehetra nahita ny vokatra azony sy ny firoborobon’ny taranja notantanany.

    Ao kosa nefa ireo izay tsy nanao afa-tsy ny nahazoany tombontsoa fotsiny. Ankoatra izay, misy sahy miteny mihitsy ny filohan’ny federasiona sasany ankehitriny, fa tsy mbola teraka ny olona hanala azy eo, satria manana fianakaviana tomponandraikitra ambony, eo amin’ny fanjakana, miaro azy. Aza atao sorona ny atleta fa mijaly. Ampy izay e!

    Aleo mba homena ny hafa indray ny fitantanana ny federasiona. Isaorana izay vitanareo izay. Tsy lany olomanga akory i Madagasikara fa lany olo-kendry. Miantso ny feon’ny fieritreretan’ny rehetra, mba handinika, na dia iray minitra fotsiny aza, ny amin’ny hanarenana ny taranja hita fa marary sy mila famonjena.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.