Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kolontsaina : manomboka anio ny hetsika Taom-baovao malagasy

    Kolontsaina : manomboka anio ny hetsika Taom-baovao malagasy

    Sokafana amin’ny fampirantiana lehibe etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, anio amin’ny 10 ora maraina ireo, hetsika mifandraika amin’ny fankalazana ny Taom-baovao malagasy. Fampirantiana an-tsary sy an-tsoratra ary amin-javatra mivaingana ireo fomba amam-panao malagasy. Hisy rahateo ny fanazavana ataon’ny tompon’andraikitra eny an-toerana. Tohizana amin’ny loabary an-dasy izany ny tolakandro. Lohahevitra hofakafakaina : « Ny fanabeazana ny tanora sy ny fomba malagasy », izay hiarahana amin’ny tanora kung-fu Wisa.

    Fantatra fa ny fikambanana Fitohasina nasionaly sy ny foibe nasionaly Trano kolotoraly malagasy Ikianja Ambohimangakely no mikarakara izao hetsika mandritra ny dimy andro izao.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.